Fivorian’ny OMS Afrika : nisongadina ny tsy fahampian’ny “paramédicaux”

Maneran-tany mihitsy ny tsy fahampiana “paramédicaux” miasa eny amin’ny tobim-pahasalamana. Izy ireny indrindra anefa no tena akaiky ny marary sy mikarakara azy ireo.

Nanomboka ny alatsinainy lasa teo, ary haharitra hadimiana ny fivoriana faha-73 tontosain’ny vaomieram-paritry ny Sam­pan­draharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) aty Afrika, tanterahina ao Botswana.
Hozaraina mandritra ny fihaonana ny tatitry ny asan’ny OMS aty Afrika nandritra ny taona. Anisan’ny lohahevitra nojerena manokana ny fametrahana paikady momba ny tolotra fahasalamana sahanin’ny infirmiers» sy ny mpampivelona hatramin’ny taona 2025.
Nisy ny ezaka natao nahabetsaka kokoa ny isan’izy ireo mikarakara ny fahasalaman’ny vahoaka satria misahana ny ankamaroan’ny tolotra fa­hasalamana ny «infirmiers» sy ny mpampivelona eny amin’ny toeram-pitsaboana.
18 ny «infirmiers» sy mpampivelona misahana mponina 10 000 aty Afrika, ny taona 2020. Tanjona ny hahatratra ny antontaniasa 40 ho an’ny mponina 10 000 hatramin’ny taona 2030, ka mila mandray “paramédicaux” 3 tapitrisa.
Tsy ampy “infirmiers” 5,9 tapitrisa sy mpampivelona 900 000 maneran-tany ka ilaina ny manokana vola fanampiana hatramin’ny 50% hanatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra momba ny fisitrahan’ny daholobe fahasalamana.
Eto Madagasikara, “infirmier” iray misahana olona 3 500 raha mikarakara olona 10 000 ny mpampivelona telo ary matetika mivangongo an-tanàn-dehibe.
Mbola alavitra ny ezaka amin’ny fanampiana ireo paramédicaux miasa na eny anivon’ny CSB na eny amin’ny hopitalim-panjakana. Izy ireny indrindra anefa no tena miantoka ny fikarakarana ny marary sy antsoin’ny mpiandry marary raha misy ny tampoka. Miara-miasa akaiky amin’ny dokotera izy ireo mba hampahomby ny fitsaboana.

Vonjy

Partager sur: