Kianjan’ny hiragasy : mitondra ny anaran-dRasamimanana Rochel na Ra-Petit

Mialohan’ny nitondrana ny razana ho any an-tanindrazany. Natao veloma farany tetsy amin’ny Kianjan’ny hiragasy Ampefiloha ny nofo mangatsiakan-dRasamimanana Rochel na i « Petit ». Nisy ny fanapahan-kevitra noraisina.

Notanterahina, omaly, tetsy amin’ny Kianjan’ ny hiragasy Ampefiloha ny fanaovam-beloma farany ny nofo mangatsiakan-dRasa­mimanana Rochel na Ra-Petit, filohan’ny Federasion’ny mpihiragasy eto Madagasika­ra. Fotoana nanambaran-dRakotondrazafy Lalatiana, minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina fa «Masinandro anio, hitondra ny anaran-dRa­samimanana Rochel na Ra-Petit ity Kianjan’ny hiragasy ity ».
Raha ny tantara, nandritra ny taona maro no nangataka kianja hanatanterahina ny adin-kiragasy ny mpihiragasy. Efa tamin’ny andro nitondran-dRamilison Besigara ny federasion’ny mpihiragasy. Taty amin’ny fitantanan-dRa-Petit vao nahazo izany. Izy no niady mafy sy nanao izay nahazoana io kianja eo ambadiky ny Tranombokim-pirenena Anosy io. Iray volana, omaly, rahateo no nanaovana ny fitokanana ity kianja ity. Nanatrika teo Rasamimanana Rochel na  Ra-Petit

Nomena mari-boninahitra

Nandritra io fanaovam-beloma farany an-dRa-Petit, omaly, io no nanoloran’ny fitondram-panjakana malagasy, tamin’ny alalan’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina ny mari-boninahi-pirenena « Commandeur de l’ordre na­tional malagasy » ho an’ity andrarezin’ny zavakanto sy kolontsaina ity.
Notendrena hitantana vonjimaika ny Federasion’ny mpihiragasy eto Madagasikara Ranaivonantenaina Fanome­zan­tsoa Tojonirina mamy. « Napetraka aho no eto. Ny hampihodina ny asan’ny federasiona no himasoako mandra-pahatongan’ny fifidiana­na », hoy izy. Nomarihiny fa ny volana janoary 2024 no hanatanterahina ny fivoriamben’ny mpanao hiragasy. Amin’io no hanatanterahana ny fifidianana.
Ny zoma 1 septambra izao no hametrahana ny nofo mangatsiakan-dRasamimanana Rochel na  Ra-Petit ao amin’ny fasan-drazany ao Amboana­na Arivonimamo.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: