Nivoaka tamin’ny fanginany ny lehiben’ny fampanoavana, eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Antananarivo. « Tsy nanao fampiantsoana ny filohan’ny Repoblika malagasy izahay. Diso tanteraka ny filazana fa nisy taratasy nanaovana “assignation” nosoniavinay ka nalefa teny amin’ny fiadidiana ny Repoblika na tamin’ny filoha », hoy ny tonian’ny mpampanoa lalàna, Rakotoniaina Narindra.
Ankoatra izay, nitondra fanazavana momba ny fahefan’ny fampanoavana sy ny resaka zom-pirenena ity tomponandraikitra ity. « Mazava ny voalazan’ny lalàna, andininy faha-72 ao amin’ny fehezan-dalàna mifehy ny fizakana ny zom-pirenena malagasy, laharana faha-60.064, tamin’ny 22 jolay 1960, dia izahay tonian’ny mpampanoa lalàna irery ihany no omen’ny lalàna fahefana hanetsika ny fitsarana hanao fizahana na “constat” ny fananan’olona iray na tsia ny zom-pirenena malagasy », hoy hatrany izy. « Araka ny voalazan’ny andininy faha-76 ao amin’ny fehezan-dalàna ihany, tsy maintsy misy dika mitovy momba ny “assignation” na ny fitoriana apetraka eny anivon’ny mpitahiry ny fitombokasem-panjakana. Izahay Tonian’ny mpampanoa lalàna dia manambara ihany koa fa tsy nisy izany. Fehiny, tsy misy “assignation” velively nataonay tonian’ny mpampanoa lalàna, ny resaka hafa rehetra mifanohitra amin’izany dia fanelezana vaovao tsy marina izay enjehin’ny didy aman-dalàna manan-kery eto amin’ny tany sy ny firenena», hoy izy namarana ny fanambarana.
Randria