Navoakan’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena ny momba ny fifanarahana arak’asan’ireo mpianatra nivoaka avy ao amin’ny Ecole normale supérieure (ENS) nangataka hiditra amin’ny asa fampianarana eo amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Voalazany fa 814 ny fifanarahana arak’asa sy ny didim-pitondrana vita, 39 mbola eo anivon’ny «contrôle financier», 19 nahitana tsy fahatomombanana, 54 fitarainana, 24 anaty «2ème liste LAPEN», 55 anaty «appel à manifestation» fanintelony (tany lavitra, zone 2, zone 3 dia tsy nisy nisafidy ny hiasa any ireo mpianatra avy amin’ny ENS). Mandalo antanan-tohatra ny famoahana ny fifanarahana arak’asa sy ny didim-pitondrana. Ireo 814 fifanarahana arak’asa sy didim-pitondrana vita no hozaraina voalohany, araka ny fanazavany ihany.
Anisan’ny niteraka olana sy fanehoan-kevitra mafana teo amin’ireo mpianatra ny tokony handraisan’ny fanjakana, indrindra ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny mpianatra rehetra nahavita fianarana avy amin’ny ENS.
Vonjy