Hifanandrina anio, etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, i Comores sy i Madagasikara, taranja baolina kitra. Manasa-dalana amin’ny lalaon’ny Nosy 2023, andiany faha-11, ity atao ity. Ny Barea de Madagascar, efa fantatra fa tsy afaka mampilalao an’i Fabien Boyer, Malagasy vodilaharana noho ny resaka “accréditation” roa.
Naharitra ora 3 sy 30 minitra ny fihaonana teo amin-dRanaivo Toky sy Florent Bax, rénionais, tamin’ny taranja Tenisy. Nampitsangana ny “1ère dame” malagasy mihintsy ny lalaon’ny roa tonta. Taorian’io lalao io, nankasitraka ny zava-bitan-dRanaivo mianadahy, Toky sy Mialy, ny vadin’ny filoha, Rajoelina Mialy sy ny minisitry ny Serasera, R. Lalatiana.
Ny taranja tsy mbola nahazo medaly mihitsy hatramin’izao fotoana dia ny taranja Cyclisme. Araka ny fantatra, manjaka amin’ity lalao ity mihitsy ny réunionais sy ny maorisianina. Milaza moa ireo atleta fa olana ho azy ireo ny tsy fahampian’ny fifaninanana eto an-toerana.