Atrikefa bagasy volana septambra. Amin’ny sabotsy 2 septambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ao amin’ny efitrano malalaky ny IKM Antsahavola ny fotoana. Fifanakalozana traikefa sy karoka momba ny tantaran’ny bagasy sy ireo mpamoron-kira sangany. Eo koa ny sehatra malalaka ahazoan’ny mpivory mandray anjara amin’ny hira.
« Festival Temps Fort Danse ». Efa vonona ny mpandray anjara sy ny mpikarakara, handray ny “Festival Temps Fort Danse”. Hetsika lehibe ho an’ny tontolon’ny Dihy ankehitriny tanterahina eny amin’ny IFM Analakely. Feno tanteraka ny fandaharam-potoan’ity hetsika ity. Efa nanomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy ny 16 septambra 2023 izany.
« Ambatomanga, La Silence et la douleur ». Tanterahina eny amin’ny IFM Analakely, ny sabotsy 2 septambra 2023, ny fampahafantarana ny boky « Ambatomanga, La Silence et la douleur », asa soratr’ i Michelle Rakotoson. Raha tsiahivina, anisan’ny asa soratra nisongadina teto Afrika ity asa soratra ity, tamin’ity taona 2023 ity.
Kanto manabe. Nifarana omaly, ny fampirantiana “Diversité et Biodiversité de Madagascar”, natao teny amin’ny Hotel de ville Analakely. Hetsika tafiditra tao anatin’ny tetikasa « Kanto Manabe ». Ranty naneho ny fahasamihafana sy ny natiora ary ny asa tanan’ireo tanora mpanao sary no hita nandritra izany fampirantiana izany.