Tontosa omaly, teny amin’ ny kianja Vontovorona ny fiadiana ny medaly volamena, teo amin’ny «tir de précision», fifaninanana mitifitra eo amin’ny taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy sy vehivavy. Ratsy ny vokatra ho an’ny Malagasy, tsy nisy azon’izy ireo ny medaly volamena, tamin’ity. Teo amin’ny vehivavy, resin’ilay Réunionaise, Isabelle Riviere, teo amin’ny famaranana, Andrianarimalala Judicaël. Tsy nahomby ihany koa Ralison Heritina (Radoko). Lavon’ilay maorisianina, i Muhammud Parvez Khodabaccus, izy. Tamin’ny isa tery 34 no ho 30 naharesy azy. Teo amin’ny «atelier», fitifirana ny «bouchon» no nahavery an-dRadoko. Hatramin’izay, nanjakan’ny Malagasy hatrany ny volamena, ho an’ity taranja mampamiratra an’i Madagasikara ity. Afaka nanarina izay fahavoazana izay ny Malagasy teo amin’ny lalao ho an’olon-tokana lehilahy sy vehivavy ary ny olon-droa miaraka lahy sy vavy. Azon’i Tonitsihoarana Alhenj (Toutoune) ny medaly volamena, teo amin’ny lehilahy rehefa nandresy ilay Réunionais, i Nicolas Chamand, tamin’ny isa 13 no ho 4. Razafinakanga Mirana indray teo amin’ny vehivavy, nanilika an’ilay Réunionaise, Idmont Elodie, 13 no ho 12. I Faly Donald sy i Christinah kosa ny teo amin’ny olon-droa lahy sy vavy miaraka.