Tsy foana tanteraka ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina. Manodidina ny amin’ny 10 ora alina izany hatramin’ny 2 ora maraina. Maharitra adiny roa eo ho eo ny faharetany. Misy koa ny fahatapahana madinika mandritra ny atoandro sy ny tolakandro.
Tonga any amin’ny Tangoron-tendrombohitr’i Makay ilay mpitety tanàna sy vohitra, Rabekijana Farah. Mpahay nahandro rahateo izy, ka mitety ny toerana mandalina ny sakafo malagasy isam-paritra. Mitondra moto marika Honda Shadow 600 ity vehivavy ity mitety an’i Madagasikara. Efa nandalo an’Ambositra, Fianarantsoa, Ranohira izy amin’izao diany izao.
Nankatoavina nandritra ny fivorian’ny COPIL ny drafi-panajariana ny jono (PAP) ao Mananjary. Natolotra nandritra izay ny boky mirakitra ny antontan-kevitra mahakasika (PAP), ao amin’ny Faritra Vatovavy, voavolavola nandritra ny fitsidihana. Taorian’io, nisy ny atrikasa narahina adihevitra momba ny rafitra mpanatanteraky ny PAP.
Tantsaha 98 nisitraka hanam-pamokarana ka nahazo masomboly vary 882 kg, zezika NPK 1470 kg ary zezika organika 7350 Kg tao amin’ny tanànan’ Ampasina Maningory, kaominina Ampasina Maningory, distrika Fenoarivo Atsinanana. Vokatra azo tamin’ny alalan’ny tetikasa “PURPA” irahana amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, vatsian’ny BAD vola.