Fanafihana mitam-piadiana : voatifitry ny polisy i Johary sy i Doda

Matin’ny polisy omaly, i Johary sy Doda, voalaza fa mpanafika mitam-piadiana raindahiny. 60 Tapitrisa Ar no voaroban’izy ireo tanaty andro vitsy. Mbola misy telo lahy karohina.

Nirefodrefotra ny basy! Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy raindahiny mpanao fanafihana mitam-piadiana tao Anjoma, Toa­masina Renivohitra, omaly. Teo am-pikononkononana ny asa ratsiny faninefany izy ireo izao lavo izao. Dimy lahy nikasa hanafika. Nahazo loharanom-baovao ny avy amin’ny polisin’ny Fip tarihin’ny ko­mandiny, ny komisera Rafali­arivo Jules. Naka toromarika tamin’ny tonian’ny fampanoavana anivon’ny fitsarana am­baratonga voalohany sy ny talem-paritra Atsinanana ny filaminana anatiny, ny komisera Rakotovao Jean Christian. Nanao ny vela-pandrika sy nanara-dia ny polisy.

Niainga tao Tanambao Verrerie izany. Vokany, nipoapoaka ny basy, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Lavo ny jiolahy roa lahy ary sarona niaraka tamin’izany ny basy marika “Macarov pistolet à Gaz”, miaraka amin’ny balany. Nambaran’ny tonian’ ny fampanoavana fa karazana basy kilalao kanefa mahafaty. Mipoaka tahaka ny basy rehetra izy io.
Telo lahy nandositra…

Nandritra ny fifanjevoana, tafaporitsaka ny telo lahy naman’ireo roa lavo. Tsiahi­vina, efa fanintelony nahatontosa fanafihana ireto jiolahy ireto, ny volana aogositra teo.
Nanafika tao amina tranom-barotra mpamongady ka nanampoaka basy izy ireo, ny 13 Aogositra teo. Voaroba ny vola an-tapitrisa. Nanafika tao Valpison indray ireto farany ny 23 aogositra teo, lasa ny vola 20 tapitrisa Ar.
Fahatelo, mpikirakira entana havoaka sy hampidirina ao amin’ny seranan-tsambo no voatafika ny 28 aogositra. Voaroba ny vola 30 tapitrisa Ar.

Sajo

Partager sur: