Fanentana lanonana – Kabary: 10 taona nampianarana i Rado Havozo

Mpampianatra kabary eo anivon’ny Havozomanitra Mi­kabary i Rado Havozo. Mandia ny faha-10 taona ny nanatontosany izany. Homarihina amin’ny alalan’ny hetsika samihafa io vanim-potoana io, ny 3 septambra izao, eny amin’ny sehatra maitson’Ambohima­hi­tsy. Manomboka amin’ny 1 ora, hiaka-tsehatra ny tarika Diary. Amin’ny 2 ora latsaka fahefany, fanombohan’ny la­nonana hafanain’ny tarika Ga­sikara sy ny mpihira bagasy ao amin’ny Havozo. Arahina dihy sy seho an-tsehatra hafa tahaka ny fitantarana angano hotanterahin-dRakemba, sns.
Raha tsiahivina, tany Anjoma Betoho, disitrikan’i Manjakandriana no nampianatra kabary voalohany i Rado Havozo. Nitohy teny Soama­nandrariny izany avy eo. « Nanomboka ny taona 2013, namoaka mpikabary indroa isan-taona aho sy ny Havozo. Olon-tsotra, mpikabary, mpi­an­tsehatra maro, no efa novolavolaina. Ny Havozomanitra Mikabary rahateo efa misandrahaka manerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy », hoy i Rado.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: