Fanondranana volamena : miankina amin’ny saram-pitaterana ny sanda ara-bola

Miditra tsikelikely amin’ny fampidirana ny volamena eto Madagasikara ho azo aon­drana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny fanjakana. Fepetra telo no hamaritana ny sandan’ny volamena ara-bola. Voalohany, miankina amin’ny fahadiovan’ny volamena (ma­nodidina ny 99,99%), araka ny fepetra takian’ny tsena iraisam-pirenena mifehy ny volamena, ny London Bullion market Association (LBMA). Faha­roa, miankina amin’ny saram-pitaterana azy, ary fahatelo, ny fandanian’ny mpandraharaha amin’ny fikirakirana any amin’ ny banky.

Manampy izany, miankina amin’ny fifandanjan’ny sandam-bola Ariary miohatra amin’ny dolara amerikanina, roa andro mialoha ny fame­trahana ny antontan-taratasy fanondranana ny sandan’ny volamena ara-bola. Tataovana 3% izany ho an’ny banky.

Iray taonina isam-bolana

Tsiahivina fa efa nanondrana volamena 1.000 kilao tany ivelany i Madagasikara, ny volana marsa 2023 teo. Nilaza ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotoma­lala Herindrainy, fa tanjona ny hanondranana 1 taonina isam-bolana. Nahatratra 3.051 kilao ny volamena efa naondrana ny taona 2018, raha 2.411 kilao ny taona 2019. Niato izany ny taona 2021 sy 2022 ary izao niverina izao indray. Zava-baovao kosa anefa ny fampidirana ny volamena hanana sanda ara-bola.

Njaka A.

Partager sur: