Nampahafantatra ny haha kandidà ho filoham-pirenena azy Randrianasoloniaiko, tany Toliara, omaly. Nambarany fa ilaina firaisan-kina izany ka hatambatra ny hery. Antony ny fahatsapany fa mendrika fiainana tsara ny vahoaka. Manana adidy amin’ny ho avy ny tenany. Efa nahazo tsodrano tamin’ireo olobe ara-panahy sy ara-drazana koa izy. “Tsy hanao valifaty ary hampifandray tanana an-dRavalomanana sy Rajoelina ny fanambiko”, hoy izy.
Voatendry ho governoran’ny faritra Sava
i Seramila Teddy Gervais, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 30 aogositra teo. Efa nisahana ny talen’ny fotodrafitrasa eo anivon’ny fiadidiana ny faritra Sava ny tenany teo aloha. Mpisolo toerana, amin’ny alalan-dRandrianasolo Eliahevitra, no nisahana ny fitantanana iny faritra iny, taorian’ny nanendrena ho minisitra an’i Tokely Justin.
Miompana amin’ny fifidianana ny dinika eo amin’ireo firenena eo anivon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), etsy Ambodivona, hifarana anio. Hiezaka hanangana tambajotra iraisana hametrahana filaminana amin’ny fifidianana izy ireo. Tanjona ny tsy hisehoan’ny disadisa mialoha sy mandritra ary ny aorian’ny fifidianana. Miatrika izany ireo mpisehatra politika sy ny avy amin’ny haino vaky jery.