INDRAY MIJERY

Niara-nidinika ny fandrosoan’ny asa voarakitra ao anatin’ny paikadim-pirenena amin’ny ady atao amin’ ny fampanambadiana ankizy eto Madagasikara ny delegasionin’ny firaisambe Afrikanina sy ireo mpian­tsehatra amin’ny fiarovana ny ankizy. Tanjona ny hanamafy orina ny fanatanterahana ny asa voafaritra ao anatin’ny paikady.

Manaraka fihofanana momba ny ady amin’ny herisetra sy fandraisana an-tanana atao amin’ireo an­kizy manana fahasembanana. Ny tambajotra mpian­tsehatra ho an’ireo miaro ny ankizy ao Manakara. Tetikasam-panjakana, vatsian’ny UNICEF vola, tanterahana miaraka amin’ny HI.

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fampidirana vokatra vaovao amin’ny fandaminana anatiny ny tetibola ampiasain’ny minisitera. Momba ny fanorenana sy fanatsarana fotodrafitrasam-paha­salamana, hividiana fitaovana ary hampandehanana ny tobim-pahasalamana ny vokatra vaovao.

Ho fiatrehana ny taom-pianarana vaovao 2023-2024, nanatanteraka ny andron’ny pedagojia ny fari-piadidiam-pampianarana manerana ireo faritra 23 eto Madagasikara. Niompana indrindra tamin’ny paikady fampianarana ny taranja matematika ny fihaonana ary nanotrona sy nanara-maso izany ireo tomponandraikitra isany avy.

Partager sur: