Lozam-pifamoivoizana : mpitondra bisikleta maty voahosin’ny fiara

Maty voafaokan’ny taxi-be iray teny Anosizato Andrefana (manoloana ny tranombarotra lehibe iray), omaly tamin’ny 8 ora sy 20 mn, ny tovolahy iray. Taxi-be iray hiakatra ho any amin’ ny fiantsonana farany any Anosy no nifaoka ity tovolahy ity nandritra ny «sens unique à double voie» na fandehanan’ny fiara roa mitandahatra amin’ny lalan-tokana, araka ny fandaminan’ ireo zandary sy polisy mandrindra ny fifamoivoizana eo amin’ ny tetezan’Anosizato Atsinanana. Mpivarotra mandehandeha ny asan’ity tovolahy niharam-boina ity, araka ny fanazavan’ireo mahafantatra azy. Nisy niantso hividy zavatra aminy anefa tamin’io fotoana nitrangan’ny loza io. Niampita tampoka, kanjo nirimorimo mafy avy any andrefana ny taxi-be iray ka notrongisiny ilay niharam-boina. Naratra mafy izy ka nentina haingana namonjy hopitaly. Tsy avotra intsony ny ainy. Hanaovana fanadihadiana ny mpamilin’ilay taxi-be. Ankoatr’io, mpitondra bisikileta iray maty voafaokan’ny kamiao teny amin’ny RN1 teo Fenoarivo, omaly. Mpitety tsenakely mitondra entana hamidy io tra-doza io. Notetezin’ny kamiao ny vatany ka nitarika ny fahafatesany teo no ho eo. Voadona niaraka taminy ny boritra nisy ny entana ka niparitaka tsy nisy noraisina.

J.C

Partager sur: