Sakafo an-tsekoly: nanolotra tohana ara-tsakafo ny Rosianina

Tontosa omaly, teny amin’ ny masoivohon’i Rosia, teny Ivandry, ny lanonana nana­marihina ny fanolorana fanampiana ho an’ny governemanta malagasy. Ny eny anivon’ny sekoly no tena hisitraka izao fanampiana izao. Niarahan’ny firenena Rosianina tamin’ny Programe alimentaire mondial (Pam) ny fanolorana izany. Ny tale jeneraly eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena no nandray izany tamin’ny anaran’ny governamanta malagasy. “Manampy betsaka amin’ny Fampiana­rana ho an’ny rehetra, tetikasan’ny minisitera izao fanampiana izao”, hoy ny tale eo anivon’ny ministeran’ny Fana­bezam-pirenana.
Tohana ara-tsakafo 322,5 t no natolotry ny firenena Rosia­nina, tamin’ny alalan’ny masoi­vohon’izy ireo eto Madagasi­kara. Pitipoà mavo (Pois jaunes) no natolotr’izy ireo tamin’ izany. Fanatanterahana ny fanambin’ny filoham-pirenena Rosianina izao tanterahina izao, ka niezaka ny hamatsy ara-tsakafo an’i Afrika izy. Ho an’i Madagasikara manokana, 4 tapitrisa dolara hatreto ny fanampiana nomen’ny Rosia­nina antsika, ary ny faritra Androy sy Atsimo Andrefana no nisitraka betsaka tamin’ izany.
Hitondra akony samihafa izao fanampiana izao, raha ny nambaran’ny solontenan’ny PAM. Ankoatry ny fampiana­rana, hitondra tombony lehibe eo amin’ny lafiny fahasala­mana sy ny toekarena ary hipaka hatrany amin’ny fampandrosoana izany.

Lin

Partager sur: