Seha-pihariana : 60 taona ny Agro Ankatso

Mankalaza ny faha-60 taona nijoroany ny sekoly ambony manofana momba ny fambolena sy ny fiompiana (Agro) eny amin’ny oniversite Ankatso. Misy ny hetsika atao mandritry ny 3 andro ary hifarana anio. Nanamarika izany ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa tamin’ny “Izaha-groupe”. Hametrahana ny “Agri-business academie” eny anivon’ny sekoly. “Fototra iorenan’ny fampandrosoana izany”, hoy ny tale, Randrianarivelo. Nilaza izy fa mandray andraikitra amin’izany ireo mpianatra miofana eny anivon’ny sekoly, amin’ny alalan’ny fananganana orinasa. Tanjona ny hanatsarana ny seha-pihariana mba hampandrosoana an’i Madagasikara.
Tanterahina androany ny famoahana ireo injeniera 100. 25 mpiofana hivoaka ho “docteur sy professeur”. Eo koa ny fihe­tsiketsehana ara-akademia sy ara-tsosialy ary ara-panatan­jahantena. Maro ny hetsika natao teny an-toerana nanamarihana izany. Ny vela-kevitra niarahana tamin’ireo mpitantana teo aloha.

Mino

Partager sur: