19 taona nonenana any ivelany i Benja Randrianary. Mpihira sady tomponandraikitry ny tarika Ny Mino. Milaza ny fahitany ireo tarika mivahiny any an-toerana sy ny Malagasy mandray izany.
Gazety Taratra (*): Amin’ny maha olon-tsotra anao, nanao ahoana ny nandiavana ny 20 taona latsaka kely nonenana taty ivelany ?
Benja Randrianary (-): Tena sarotra ny nandiavana ny telo taona voalohany (taona 2004 – 2007). Tsy maintsy nangalatra niasa na tsy nisy taratasy mazava aza nahafahana mipetraka aty. Natao daholo izay mahavelona. Raha eo amin’ny maha mpanakanto, sarotra ny mipetraka aty ivelany. Taorian’ny nahavitan’ny taratasy izay vao afaka niaina tsara satria nanana ny asa fivelomana amin’izay.
* Manao ahoana ny fandraisan’ny Malagasy ireo tarika na mpanakanto avy any Madagasikara manao seho aty ivelany ?
– Malaza any Madagasikara izy ireny, ekeko. Manao fampisehoana indray mandeha aty ivelany, tonga maro ny Malagasy. Fa raha misy ny fiverenana faharoa na fahatelo, tsy hahazo Malagasy hijery intsony. Vitsy dia vitsy amin’ireny tarika manana ny maha izy azy any an-tanindrazana ireny no ahitana Malagasy mijery raha miverina manao seho aty.
Aleon’ny Malagasy monina aty ivelany miaraka samy mpinamana isaky ny faran’ny herinandro, toy izay hiverina hijery fanindroany, tarika iray. Raha amin’ny andro fiasana indray, aleony mamita asa. Ny aty rahateo totoafo izy io.
* Mpihira evanjelika ianao. Ny fahitanao ny vahiny eo amin’izay sehatry ny finoana izay ?
– Amin’ny ankapobeny, manam-bola ny olona aty raha oharina amin’ny any Madagasikara. Manana ny ampy eo amin’ny zavatra ampiasainy amin’ny fiainana andavanandro ihany koa. Tsy miraharaha zavatra hafa intsony ry zareo. Tsy misy miresaka izany finoana izany. Ny lalàna no ambonin’ny finoana. Ny lalàna avy hatrany no ampiharina raha misy ny fahadisoana.
* Tany tan-dalàna ny any. Ny fahitanao ny eto an-tanindrazana ?
– Mampandroso ny firenena manontolo ny fanarahana lalàna. Mitaky finiavana politika sy fitondrantena mendrika ny fanatanterahina izany. Mila ovaina ny rafitra any. Miainga any amin’ny fototra no hametrahana io fanovana io. Mitaky fanabeazana tsara rindra mifanaraka amin’ny zava-misy sy fanajana ny soatoavina malagasy ny fanatanterahina izany.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto