Sekoly tsy miankina : tsy mahatratra 50% ny nahavita fisoratana anarana

Sanganehana ireo talen-tsekoly manoloana ny isan’ny ray aman-dreny nanoratra ny zanany hiditra an-tsekoly ho an’ny taom-pianarana vaovao. Mihamihena isan-taona ireo mahafeno fepetra nefa ny hofan-trano sy ny karaman’ny mpampianatra tsy maintsy efaina.

Roa andro mialohan’ny fotoam-pidirana amin’ ny taom-pianarana vaovao 2023-2024, mbola vitsy ny ray aman-dreny nahavita ny fisoratana anarana teny amin’ ny sekoly tsy miankina. Tsy nahatratra ny 50% amin’ny isan’ny mpianatra tokony hanaraka ny fampianarana ny taha. Amin’ireo efa nanoratra anarana indray, marobe no nanao fifanarahana an-tsoratra fotsiny amin’ny talen-tse­koly fa hanefa ny vola rehetra mialoha ny faran’ny taom-pianarana. Ireo maro anaka no tena sahirana ka miroso amin’ ity fifanarahana ity. Tsy atao sakana ny tsy fahafenoan’ny vola fa ny tombontsoan’ny an­kizy no laharam-pahamehana, hoy ny mpitondra tenin’ny Vo­vonan’ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara.
Tsy nampiakatra ny saram-pianarana sy ny “frais généraux” ny sekoly, antony ny ho fitsinjovana ny ray aman-dreny fa ireo efa fanta-daza sy be mpahalala no nanondrotra ireo sora-bola ireo satria ny mpampianatra mitaky fisondrotan-karama. Ho an’ny se­koly antonony, tsy ho takatra mihitsy ny hampiakatra 10% ny karaman’ny mpanabe fa samy nanao izay zakany ny talen-tsekoly arakaraka ny vola eo an-tanana.
Voafaritry ny minisitera fa ny 4 septambra no hiverina an-tsekoly ny ambaratonga rehetra, herinandro aorian’izay vao tena hisantatra ny taom-pianarana ny sekoly tsy miankina miandriandry ireo ray aman-dreny mbola vonona nefa tara amin’ny fisoratana anarana. Manampy miandalana ny fi­taovana koa ireo ray aman-dreny ary azo ampiasaina ny tamin’ny taon-dasa hanamaivana ny vola mivoaka.

Vonjy

Partager sur: