Samy tafakatra amin’ny dingana famaranana avokoa ny sokajy lahy sy vavy, taranja volley, ao anatin’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Seta 3 no ho 2 (27-29/29-27/26-24/25-18/15-11) no nandresen’i Madagasikara an’i Maurice, sokajy vehivavy. Seta 3 no ho 0 kosa no nandavoan’ny ekipa malagasy an’i Seychelles, sokajy lehilahy.
Hatao amin’ity zoma ity ny famaranana ho an’olon-telo miaraka, lehilahy sy vehivavy, ho an’ny taranja tsipy kanetibe. Fihaonana, hizotra eny amin’ny kianja Vontovorona. Ireo ihany koa no manakatona ny fifaninanana eo amin’ity taranja ity.
Hanomboka anio zoma ny fifanintsanana ho an’ny rugby, eny amin’ny kianja Andohatapenaka, lalaovina olona 7, lahy sy vavy. Hisantatra izany, manomboka amin’ny 10 ora, ny Makis sy i Mayotte. Amin’ny 11 latsaka 10 vao hiakatra an-kianja ny Makis lehilahy ka hifanandrina amin-dry zareo mahorais hatrany.
Hotanterahina anio, eny Vontovorona ihany koa ny manasa-dalana eo amin’ny taranja handball. Hifanandrina eo amin’ny vehivavy, La Réunion sy i Comores ary i Madagasikara sy i Mayotte. Eo amin’ny lehilahy, hifampitana i La Réunion sy i Comores ary i Madagasikara sy i Mayotte.