TARATRY ny KANTO

Skual, D’yem. Nodimandry teo amin’ny faha-32 taonany Rakotonirina Mamy Lalaina Thierry na Skual, ao amin’ny tarika D’yem. Ankoatra ny fihirany tao amin’ny tarika D’yem, nanao hiram-piderana ihany koa izy. Ny zoma izao no hiala eny an-tranony, eny Namontana ny razana, ary hoentina any Ambositra. Ny sabotsy kosa no handevenana azy ao Ambositra.
Fifaninanana hira indrana. Tontosaina anio, eny amin’ny IKM Antsahavola, ny famaranana amin’ny fifananana hira indrana. Miisa 3 ireo mpifaninana hiaka-tsehatra mandritra ity fifaninanana ity. Mpahay kanto, mpihira kalaza, maro samihafa, no hanotrona azy ireo amin’izany.
Village Culturel Andohatapenaka. Hanafana ny sehatra, eny amin’ny “Village Culturel des Jeux des iles”, eny Andohatapenaka, anio, i Shyn. Ankoatry ny fampisehoana, misy ihany koa ny filatroana sy ny « Cirque » iarahana amin’ny Aléa Circus. Manomboka amin’ny 4 ora hatramin’ny 9 ora alina ny seho, izay maimaimpoana.

Partager sur: