Hatao tsy ho ela ny fifidianana ho filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA) ny Omnis (Ofisim-pirenena misahana ny harena an-kibon’ny tany sy ny indostria stratejika. Efa voatendry ny herinandro lasa teo ny mpikambana ao anatin’ny filankevi-pitantanana (CA), ahitana solontena avy amin’ny minisitera voakasika sy ny mpiasa.
Tapitra ny desambra 2022 teo ny fe-potoana mamaritra ny lalàna ny fisian’ny orinasa SEPT. Nozaraina roa ity orinasa misahana ny fitantanana ny seranan-tsambon’i Toamasina ity ny taona 2008, ka lasa SPAT sy SMMC. Notombanana ny SEPT taorian’izany, ka hita fa tsy voavaha ny ankamaroan’ny singa nojerena.
Ho avy tsy ho ela ireo sambo haingam-pandeha miisa roa sy ny kojokoja samihafa miaraka aminy. Handray an-tanana ny haban-tseranana ny fanjakana malagasy. Tafiditra ao anatin’ny fanampian’ny japone sy fampiroboroboana ny toekarena manga izao. Marihina fa maro ny olona mivelona amin’ny jono ary isan’ny mampiroborobo ny toekarena
malagasy izany.
Tafiakatra 7kg isan’olona isan-taona ny tahan’ny fihinana trondro eto Madagasikara. Tanjona ny hampiakatra hatrany izany mba hiadina amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Nisy ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny orinasa somapêche sy ny orinasa Baolong, omaly teny Ampandrianomby ahafahana mamaly ny filàn’ny mponina.