Ankonabe Analavory: mandry andriran’antsy amin’ny fibodoana tany ny mponina

Velon-taraina ny mponina ao Ankonabe, Analavory fa bodoin’olon-tokana ny tany mirefy 1 700 ha izay misy fo­kontany 4 sy ankohonana an’aliny. Nidina nijery ny zava-misy ny filohan’ny vovonana Avotantsika miaraka i Mada­gasikara (AMM), i Masy Gou­lamaly, ny faran’ny herinandro teo.
Tsy rariny ny fibodoana satria efa tanindrazan’olona nifandimbiasana tamin’ny ray aman-dreny tany aloha ny tany ka tsy tokony ho azon’olon-tokana izany, hoy izy. Hifa­rimbona amin’ireo mponina ao Ankonabe Analavory ny AMM amin’ny fanavotana ny tany izay iveloman’ireo mponina ao an-toerana.
Mandry andriran’antsy ireo vahoaka ao Ankonabe amin’ny fampihorohoroana fakana ny tanin’izy ireo. Fotodrafitrasa maro : tranon’olona, tanimbary, no efa miorina ka mafy amin’ireo olona ny hiala amin’ny toerana. Fikarakarana taratasin-tany ho fampanarahan-dalàna azy ireo no vahaolana andrandrain’ny mponina.
Tarigetran’ny AMM ny hoe, Malagasy voky, Malagasy milamina eo amin’ny taniny ka izany indrindra no anton’ny tolo-tanana amin’ny famahana ny olana iraisana.

Tatiana A

Partager sur: