Vitsy ny isan’ny Malagasy teknisiana mikasika ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Nambaran’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Ramilison Harifidy, fa iray ny Malagasy teknisiana miasa ho an’ny tantsaha 4 000, raha tokony ho iray ho an’ny olona 500 ny fenitry ny Banky iraisam-pirenena.
Soa fa mandroso ny teknoljia nomerika, afaka mameno ny banga. Izay no nahatonga ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minae sy ny fikambanana “Farming Technology of Africa (FTA)” na fambolena sy teknolojia ambanivohitra.
Saritany, mailaka,
Hisy ny fametrahana rafitra nomerika ahitana ny antontam-baovao rehetra mikasika ny rohim-pamokarana amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Eo koa ny saritany sy ny toerana misy ny antontam-baovao. Ary farany, misy ny sehatra ahafahana mifandray amin’ny alalan’ny mailaka.
Manohana ara-bola ny fanatanterahana ity rafitra ity ny fandaharanasa “Defis” ao anatin’ny Minae, tohanan’ny Vondrona eoropeanina. Natao sonia ny alakamisy 31 aogositra teo ny fifanarahana teo amin’ny minisitry ny Fambolena sy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny FTA.
Njaka A.