Andro lehibe ho an’ny tantaran’ny Barea de Madagascar ny andro anio. Hiady ny medaly volamena amin’i La Réunion izy ireo.
Hotanterahina anio, eny amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny famaranana ny taranja baolina kitra, ho an’ity lalaon’ny Nosy 2023 ity. Hifanandrina amin’izany i Madagasikara sy i La Réunion. Araka ny vaovao voaray, hanomboka amin’ny 5 ora hariva ny lalaon’ny roa tonta. Marihina fa mbola manala vela amin’i La Réunion ny Barea de Madagascar. Tsiahivina fa ny taona 2007, teo amin’ny kianjan’i Mahamasina, lavon’i La Réunion teo amin’ny fandakana “tir au but”, (7-6), i Madagasikara rehefa nanao ady sahala 0 no ho 0.
Ny ekipam-pirenena malagasy, nandresy an’i Comores, tamin’ny isa 4 no ho 2, nandritra ny manasa-dalana natao tetsy Mahamasi¬na, ny alakamisy 31 aogositra lasa teo. Resin’ny réunionais 2 no ho 1 ny Club M Maurice, tamin’io fotoana io ihany.
Ankoatra izay, tonga nitsidika ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora, Haja André Resampa, omaly, teny amin’ny hotely ipetrahan’ny Barea.
Tamin’izany no nanehoany ny fiombonana amin’ity ekipa malagasy ity. Milaza ity minisitra sady filohan’ny Komity mpikarakara ny lalaon’ny Nosy ity fa manohana ny barea hatramin’ny farany izy ireo amin’ity famaranana ity.
Tsara ny mampahafantatra fa ny lalao hiadiana ny alimo, izay hikatrohan’i Comores sy i Maurice, hotontosaina anio, ihany eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus.