Nomena fiofanana ireo cadenceur miandraikitra ny fandrindrana ny taxi-be eny amin’ny fiantsonana, tamin’ity herinandro ity. Niandraiketan’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy, tamin’ny alalan’ny fitaleavana foibe miandraikitra ny fampiroboroboana ny fampananan’asa (DGPE) ny fiofanana. Teo koa ny fivondronan’ireo kaoperativam-pitateram-bahoaka eto an-drenivohitra.
Niompana tamin’ny lafiny fitandroana ny asa, miaraka amin’ny fisorohana ireo loza mandritra ny fanatanterahana ny andraikitra, indrindra ho fiahiana ara-tsosialy ho an’ireo mpandrindra zotram-pitateram-bahoaka ny fampiofanana.
Nomena taratasim-panamarinana ireo mpiofana hanaporofoana fa nahazo traikefa sy mahafantatra ny ajara asany mazava ary vonona ny hanaja izany. Heverina hitondra vokatra tsara eo amin’ny fitateram-bahoaka sy hanatsara ny asan’izy ireo ny fampiofanana. Hipaka amin’ny fiainan’ny mponina izay mampiasa ny fitateram-bahoaka ihany koa izany.
Tatiana A