FANTINA sy FINTINA

Nahavita ezaka lehibe ny FFKM na efa tara aza, amin’ny hanaovana dinika mialoha ny fifidianana, araka ny nambaran’ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanovana ifotony (Hiffim), Andriamiseza Alain, omaly. Nambarany fa tokony hatsangana ny rafitra vonjimaika handaminana ny fiainam-pirenena sy ny olana rehetra.

Nametraka ny dosie-ny Razafintsiandraofa Brunelle teny amin’ny HCC, omaly. Nambarany fa atolotry ny APM izy ary tsy anisan’ny IRD intsony. Nohitsiny koa fa tsy tokony ho kandidà ny filoha Rajoelina mba hanajana ny lalàna. Niatrika izany ireo ampanjaka avy any Ikongo.

Ho vita amin’ny 10 septambra izao ny fanontana ny kara-pifidianana, araka ny fanazavan’ny Ceni. Hiroso amin’ny fanontana ny biletà tokana izay hatao any Afrika Atsimo ry zareo, aorian’ny famoahan’ny HCC ny lisitra ofisialin’izay ho kandidà amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Tsy tokony hisy ny ahiahy ny amin’ny fanatanterahana fifidianana amin’izany.

Tafapetraka omaly, teny amin’ny fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenena (HCC) ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina ho filoham-pirenena, ny filohan’ny vovonana Avotantsika miaraka i Madagasikara (AMM), i Masy Goulamaly. Mirary ny filaminan’ny fifidianana ny tenany ary vonona hiroso amin’ny fifidianana.

Partager sur: