Fisorohana ny ady an-trano : vonona hanohy ny fitarihana ny fihaonamben’ny FFKM

Nifarana afakomaly ny fihaonambem-pirenena nokarakarain’ny FFKM, teny Mandriamena Andoharanofotsy. Namoaka fanambarana sy fehin-kevitra taorian’izany izy ireo.

Mbola mikasa ny hitarika ny diniky ny mpanao politika mialoha ny fifidianana ireo ray aman-dreny eo anivon’ny fiangonana. “Mahatsapa ny FFKM fa ilaina ny mbola hisiana fifampihainoana sy fifampiresahana eo amintsika samy Malagasy, ahitana vahaolana malagasy eo amin’ny olantsika samy Malagasy.” Io no anisan’ny fehin-kevitry ny fihaonambe nasionaly nokarakarain’ny FFKM nifarana afakomaly, teny Mandriamena, novakin’ny filohan’ny FFKM, ny pasitera Andriamahazosoa Irako Ammi. Ho fisorohana ny ady an-trano sy ny korontana izay fanohizana ny fihaonambe izay, ary maneho ny fahavononany ny FFKM amin’ny fitarihana izany.
Manao antso avo amin’ny vahoaka malagasy, amin’ny mpisehatra amin’ny antoko sy firehana politika, ireo mpitondra amin’ny sehatra samihafa, mba hifanaja ho fitandroana ny fandriampahalemana, ho amin’ny tombontsoa ambo­nin’ny firenena. Miantso ny rehetra hitondra am-bavaka ny firenena hatrany izy ireo. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino.

Ny fifidianana sy ny hevitra hafa
Voaresaka manokana tamin’ny fihaonambe ny momba ny fifidianana. Teo ireo nihevitra fa ny fifidianana no tsy mampandroso. Misy ireo milaza fa ilaina ny fifidianana, saingy tokony hatao aloha ny fandaminana ny amin’izany mba ho feno ny fepetra hisian’ny fifidianana madio, mangarahara ary eken’ny rehetra. Anisan’ny heverina amin’izany, ohatra, ny lalàm-pifidianana, ny lisi-pifidianana, ny rafitra mitantana ny fifidianana. Misy koa ireo mihevitra fa ilaina ny fitondrana manokana handamina an’izany.

R. Nd.

Partager sur: