Niditra tamin’ny andro faharoa omaly, ny fifaninanana karate, tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ao anatin’ny lalaon’ny Nosy. Tsy nionona tamin’ny vokatra efa azo ny alakamisy teo, ny mpikatroka malagasy fa mbola nahazo fandresena hatrany, nahazo medaly volamena 3 sy volafotsy 1 indray. Teo amin’ny sokajy vehivavy, karateka malagasy 2 no nahazo medaly volamena, nahitana an-dRakotobe Fenosoa -55 kg,Andrianavalona Tsiky Mialy, -55kg ary Ratsoramanana Tanjona, -60 kg. Nahazo medaly volafotsy kosa Rakotobe Andriasatantsoa Billy, rehefa resin’i Ludovic Vitry, Renioney, tamin’ny elanelan’isa 1 monja (4-3). Nilaza ny ho afa-po tamin’ny vokatra ny filohan’ny federasiona malagasin’ny karate, Ratefinanahary Emile sy ny minisitra Coach. Tsiahivina fa tonga nanotrona sy nanolotra medaly ireo mpikatroka teny Mahamasina ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry.