Mitohy ny fahombiazana : Medaly volamena 109 ho an’i Madagasikara

Tsy mitsanga-menatra ny Malagasy. Laharana voalohany hatrany eo amin’ny fahazoana medaly volamena. Antenaina hitombo izany amin’ireo ambin-dalao mbola hatrehin’ny atleta.

Hifarana rahampitso alahady, ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, tanterahina eto Madagasikara. Medaly volamena 109, volafotsy 61 ary alimo 73 no eo an-tanan’ny atleta malagasy hatramin’izao. Mbola voatazona ny laharana voalohany vonjimaika ary raha zohina dia tsy hiova intsony izany. Taranja vitsy manko sisa no misy medaly hiadivana,
toy ny atletisma, volley, karate, Basikety, handbal, baolina kitra ary rugby, izay antenaina fa hahazoan’i Madagasikara medaly volamena avokoa.
Taranja nisongadina indrindra anio, ny kick-boxing, izay nahazoan’ny Malagasy medaly volamena 8 be izao. Mbola nahazo medaly volamena ihany koa ny mpihazakazaka omaly ka nahatafakatra ny isan’ny medaly volamena ho 10, ho an’ny taranja atletisma. Niampy koa ny medaly volameba ho an’ny taranja tenisy ambony latabatra, tamin’ny alalan’i Jonathan Nativel. Medaly volamena 3 sy volafotsy 1 kosa ny teo amin’ny taranja karate, omaly. Ho an’ny taranja tsipy kanetibe, mbola niampy ihany koa ny medaly azon’ny Malagasy, ka tafakatra 7 ny medaly volamena teo amin’ity taranja ity.
Hiatrika famaranana ny taranja iraisana
Ankoatra ny baolina kitra sy ny volley-ball, tafakatra hiatrika ny famaranana iha­ny koa ny taranja basikety, sokajy lahy sy vavy. Nan­dresy an’i Maldives, tamin’ny isa 94 no ho 39, ny vehivavy Ankoay, teo amin’ny manasa-dalana. Isa 86 no ho 55 kosa no nanilihan’ny lehilahy Ankoay an’i Seychelles. Tafakatra hiatrika ny famaranana ihany koa ny Akio, sokajy vehivavy raha toa ka raraka teo amin’ny manasa-dalana ny Akio, sokajy lehilahy, ho an’ny taranja handball. Andrasana amin’ity anio ity ny famaranana ho an’ny taranja rugby.

Partager sur: