Lavon’ny balan’ny polisy ny jiolahy iray tao amin’ny fokontany Morafeno Vangaindrano, afakomaly. Azo sambo-belona kosa ny jiolahy iray namany voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra sy fanafihana mitam-piadiana. Nahazo loharanom-baovao ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Vangaindrano momba ny fisiana andian-jiolahy mikasa hanafika ao amin’ny fokontany Morafeno. Tsy niandry ela ny polisy fa nidina teny an-toerana avy hatrany ka nametraka ny vela-pandrika rehetra ahafahana misambotra ireo jiolahy. Vokany, nifanehatra tamin’ny polisy tokoa ireo jiolahy. Vao nahita ny polisy anefa ry zalahy dia nitifitra. Voatery namaly tifitra ny polisy ka maty ny iray tamin’ireo jiolahy raha nitolo-batana ny namany iray. Mbola tratra teny amin’izy ireo ny kitapo iray sy basy vita tanana iray ary pilotra. Nentina teny amin’ny polisy anaovana fanadihadiana ilay azo sambo-belona. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana azy fa nikasa hanao fanafihana tokoa.
J.C