« Ankatoky ny fifidianana isika izao, mihorohoro ny sain’ny rehetra. Eto izahay mpitandro filaminana hiaro ny andrimpanjakana sy ny vahoaka », hoy ny lehiben’ny fibaikoana ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakotondrazaka Andriantsarafara.
Mihazakazaka ny toe-draharaham-pirenena eto amin’ny firenena amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Manoloana izany indrindra, nampitandrina ny teo anivon’ny Emmo/Nat (Etat-Major mixte opérationnel National), tamin’ny alalan’ny mpitarika azy ireo sady lehiben’ny fibaikoana ny zandarimariam-pirenena (COMGN), ny Jly Rakotondrazaka Andriantsarafara. Misy ireo mikasa hanao teti-dratsy hampifandrafina ny samy Malagasy ka tsy azo ekena izany araka ny fanambarana niaraka nataon’izy ireo omaly, teny amin’ny Toby Ratsimandrava. « Tsy misy lalàna na fomba hafa ankoatra ny fifidianana ambaran’ny Lalàm-panorenana sy ny lalàna manan-kery hahafahan’ny vahoaka mampiasa ny fahefany hisafidy izay olona tiany hitantana ny firenena », hoy ny COMGN. Nohamafisin’ity mpitarika ny Emmo/ Nat ity fa tsy misy rafitra na iza na iza ihany koa afaka misora-tena handrombaka ny fiandrianan’ny vahoaka. « Sarotiny amin’ny fampanajana izany voalazan’ny lalàna fototra izany ny mpitandro filaminana », hoy izy.
Hijoro hatrany ny mpitandro filaminana…
Nambaran’ny teo anivon’ny Emmo/Nat fa natao hiaro ny andrimpanjakana mijoro ary hiaro ny vahoaka sy ny fananany ny mpitandro filaminana. Tsy mila korontana na krizy volena intsony ny vahoaka Malagasy fa mendrika hiaina ao anatin’ny fitoniana sy filaminana, araka ny fanazavany. « Hijoro ary tsy hanaiky fanakorontanana na amin’ny endriny mivantana na ankolaka eto amin’ny firenena izahay mpitandro filaminana », hoy izy namarana ny fanambarana.
J.C