Orinasa Sema Eau vive: nahazo jiro ny tananan’ Andranovelona

Mandray anjara feno amin’ny maha orinasa tompon’andraikitra azy eo amin’ny fiarahamonina (RSE) ny Sema Eau vive, eo ambany fiahian’ny Star. Notolorana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa valo ny fokontany Andranovelona, toerana iorenan’ny ozinina mamokatra rano fisotro amin’ny tavoahangy, Eau vive.
Mazava daholo izao ny miditra sy mivoaka ny tanàna. Koa, ho voaaro ny fokontany Andranovelona amin’ny tsy fandriampahalemana, afaka miasa amin’ny alina ny mponina, toy ny varotra, ohatra.
Tsy miankina amin’ny Jirama ireo herinaratra ireo satria mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Tsy ho tapaka mihitsy na misy aza ny delestazy.
Efa 53 taona no nisian’ny ozinin’ny Star ao Andranovelona.

Njaka A

Partager sur: