Rugby: Nandravarava ny Makis

Toy ny nanao fanazarantena ny Makis lahy sy vavy nandritra ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana, rugby lalaovina olona 7. Fihaonana, natao teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, omaly zoma. Tsy nisy naharesy mantsy ny Makis. Raha ho an’ny sokajy vehivavy, nomontsanin’ny Makis, tamin’ny isa 33 no ho 0, i Mayotte avy eo nandavo an’i Maurice, 43 no ho 0, ary nanilika an’i La Réunion, 31 no ho 0, ho an’ny fihaonana fahatelo.
Tsy nifanalavitra tamin’izay ny teo amin’ny lehilahy. Nandresy an’i Mayotte 19 no ho 5 teo amin’ny fihaonana voalohany. 19 no ho 7 nandresena an’i Maurice teo amin’ny lalao faharoa ary nanilika an’i La Réunion, 31 no ho 14, teo amin’ny fihaonana farany. Hiditra amin’ny manasa-dalana ny fihaonana anio sabotsy ka eo amin’ny sokajy vehivavy, Makis hidona amin’i Maurice ary La Réunion hikatroka amin’i Mayotte. Eo amin’ny lehilahy, i Mayotte hidona amin’ny Makis ary Maurice hifanazava amin’i La Réunion.

Partager sur: