Tsara fiafara

 

Hifarana rahampitso ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, atao eto Madagasikara. Nizotra tamim-pilaminana izany tamin’ny ankapobeny. Samy afa-po ny ankamaroan’ny mpandray anjara, indrindra ny vahiny. Marina fa tsy misy ny tonga lafatra, misy ny indro kely saingy tsy nahasakana ny lalao izany. Azo lazaina fa tsara fiafara ny zava-drehetra na nisy aza ny raho-mainty tamin’ny lanonam-panokafana, tamin’ny herin’ny omaly.
Herinandro tokoa no namoizana ain’olona ampolony noho ny fifanosehana. Tranga izay heverina fa tsy hifandatsan’ny samy Malagasy fa fakana lesona amin’ny ho avy. Tsy ho an’ny mpikarakara ihany, fa ho an’ny vahoaka tsivakivolo. Iaraha-mahalala fa tsy hijanona amin’ny lalaon’ny Nosy ny kivorivory sy fanangonan’olona. Hiditra amin’ny fotoam-pifidianana rahateo isika. Efa mandeha ny vaky sehatra amin’ny fampielezan-kevitra.
Na izany na tsy izany, tsy hanao fandoto iray tandroka akory isika Malagasy fa mba hiara-paly amin’ireo atleta rehetra. Niavaka sy nanao izay tratry ny ainy ny mpilalao. Nanome ny tsara ho an’ny mpiray tanindrazana. Tsy nikely soroka nanandratra ilay hambom-po maha Malagasy. Vita izy izay, loha-lisitra i Madagasikara amin’ny medaly. Sangany araka ny fanamby nataon’ny mpiantsehatra rehetra. Tsy nahamenatra ny vokatra azo.
Samy mendri-piderana ny hery velona rehetra nitondra ny anjara birikiny, nahatontosana ity lalaon’ny Nosy ity. Niaraha-nahita fa maro ny kivy nialohan’ny fotoana noho ny tandrametaka sy ny edrika petatoko tamin’ny fanomanana. Misy ny fanamby tsy tratra, nisy ny asa tsy vita, nisy ny taranja saika tsy ho afaka andray anjara, ny sakafo sy ny toerana nandraisana vahiny tsizarizary…tsy nahasakana ny lalao tsy ho tanteraka izany. Vita izy izay! Tsy nitsanga-menatra ny Malagasy tsivakivolo. Tena tsara fiafara ny lalao.

r.r

Partager sur: