Tanora 100 no nisitraka ny tetikasa « titre vert » tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Nandray sy niarahaba azy ireo tao amin’ny tranoben’ny tangorona ny goverinoran’ny faritra, omaly. Tanjona ny hampiroborobo ny fambolena sy ny famokarana ary ny fiharian’ny tanora, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Mahavita manodina fary 30 t isan’andro ny orinasa mpamokatra siramamy ao Mahatalaky, faritra Anosy. Manana velaran-tany 17 ha ho an’ny fambolena fary ny orinasa ka miasa 150 andro ao anatin’ny taom-pamokarana. Nojerena ny fampifandraisana ny tetikasa “Odof“ amin’ity fandaharanasa entin’ny mpandraharaha amin’ity seha-pihariana ity.
Miisa dimy ireo mpifaninana hitantana ny taninketsa indostrialy hanodina ny soja sy voanjo ho lasa menaka ao Anjozorobe. Atsangana ny komity hanao ny sivana voalohany sy handinika ireo atontan-taratasy voaray. Tapitra ny 21 aogositra teo ny fe-potoana nandraisana ny taratasin’ny mpandraharaha vonona hitantana ny orinasa napetraka ao an-toerana.
Nomena zezika “Sulfate d’amonium” sy “NPK 12.24.12″ ny orinasa kaoperativa Fivoarana Ambohimarina, Kaominina Tsinjoarivo-Imanga. Tanjona ny hanatsarana ny vokatra sy hampiroboroboana ny taham-pamokarana ao an-toerana. Nankasitraka sahady izao fihetsika izao ny tomponandraikitra ao an-toerana.