Tontosa omaly, tao Mahajanga ny lanonana ara-miaramila famindram-pibaikoana eo amin’ny Jly Saidi Sylvain Modeste, kaomandin’ny fari-piarovana sy filaminana Ankarafantsika (ZDS) teo aloha sy ny kaomandy vaovao, ny Jly Narivony José Marcellin. Nitarika ny lanonana tany an-toerana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa sy ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin. Nasongadin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena fa soatoavina miaramila ny fifandimbiasana andraikitra, hamelarana ho amin’ny tsara kokoa hatrany ny sehatra maha matihanina ny Tafika Malagasy. Nandritra izany koa no nanomezany tsodrano ho an’ireto manamboninahitra jeneraly ireto hahavita be sy hifanohana hatrany amin’ny asa rehetra atao hikajiana ny fandriampahalemana. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana ny governoran’ny Faritra Boeny sy Betsiboka, ireo olom-boafidy sy olom-boatendry ary ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga ao Mahajanga.
Jean Claude