Ambatolampy-Antehiroka: mpiompy 539 nahazo zanak’akoho 6 000

Ao anatin’ny politikam-panjakana ny fampiroboroboana ny tontolon’ny fiompiana. Nisitraka zanak’akoho hatramin’ny 6 000 isa ny mpiompy 539, mpikambana ao amin’ny “Rise and shine”, ny sabotsy teo, teny Ambatolampy Ambohibao. Mahavelona ny fiompiana akoho ary anisan’ny sakafo mitondra hery sy fahasalamana izany.

Manodidina ny 2 700 ireo nahavita fiofanana momba ny fiompiana akoho ao amin’ity fikambanana ity. Misitraka tantsoroka sy fampiofanana ary fanaraha-maso amin’ny fitantanana ny fiompiana avy amin’ny teknisianin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ireo mpahazo tombontsoa. Tombony amin’izao hetsika izao koa ny eo amin’ny lafiny ara-teknika, ny fanatsarana ny taranak’akoho. Ampanarahana akoho gasy ny kahien’akoho nozaraina. Tanjona ny hampitombo isa ny atody vokarin’ny taranak’akoho. Tsy mitaky fepetra maro izany fa azo ompiana tahaka ny akoho gasy ireo zanak’akoho azo.

Ahazoana akoho 350 isan-taona ny reny akoho iray ary mora ny mampiroborobo ity seha-pihariana ity raha toa ka manaraka ny fepetra sy ny fenitra takiana amin’izany ny mpiompy. “Tsy mionona amin’ny fanatsarana ny filàna ara-tsakafo ihany akory izao hetsika fizaràna izao, fa mikendry ihany koa ny hanatsarana ny fari-piainana manontolo, amin’ny fanatsarana ny fidiram-bolan’ny isan-tokantrano”. hoy ny minisitra lefitra misahana ny Fiompiana, nandritra ny lahateniny.

Henintsoa Hani

Partager sur: