Andriamiseza Alain: “Ilaina ny rafitra vonjimaika hanamboarana ny fifidianana”

Manana fomba fijery hafa mihitsy ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim) mahakasika ny fifidianana. “Mila rafitra vonjimaika izany”, hoy Andriamiseza Alain.

“Ilaina ny fifampidinihana sy fananganana rafitra vonjimaika ahazoana miara-miasa, hahazoana mamboatra lalàm-pifidianana sy ny rafitra rehetra momba ny fifidianana. Rehefa milamina izay ary milamina ny fiainam-bahoaka, tonga ny fifandimbiasam-pahefana demokratika”. Io no fanehoan-kevitry ny mpitarika ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim), Andriamiseza Alain, ny amin’ny fahavitan’ny fihaonambe nasionaly nataon’ny FFKM.

Rafitra vonjimaika no ilaina hanarenana ny fiainam-pirenena. Fitadiavana foto-kevitra hahazoana manarina ny firenena sy ny fiainan’ny tsirairay ny fifidianana, hahitana sy hanamboatra ny lalana ho amin’izany. “Amin’izao, mahatsapa izahay fa vita izay ny anjaran’ny raiamandreny ara-panahy. Tokony hanao ny azy koa ireo manampahefana sy ny mitana basy”, hoy izy ny amin’ny ho tohin’ny fihaonambe notarihin’ny FFKM.

Raha tombontsoam-pirenena no tadiavina ary fitiavan-tanindrazana no mibaiko, tsy hanenenan’ny eo amin’ny fitondram-panjakana ny hiresaka amin’ny rehetra sy hitady vahaolana handehanana any amin’ny tsaratsara kokoa. Raha mbola mahantra ny vahoaka, manjaka hatrany ny vola. Ny fahantram-bahoaka no mahatonga ny fifidianana tsy ho lavorary, fa tsy azo lazaina hoe fahadisoan’ny mpitondra hatrany. Nefa ny mpitondra koa no mampahantra vahoaka. Izay no tsy maintsy handehanana amin’ny fifidianana madio sy mangarahara.

R. Nd.

Partager sur: