Lasa aretina mateti-pitranga ny aretin’ny voa, ankehitriny . Mitondra fanazavana mikasika izany ny Profesora Randriamanantsoa Lova.
Mandrindra ny tosidra, manary ny loto anatin’ny vatana ary mamorona ny selamena anaty ra no asan’ny voa. Azo sokajina ho roa ny tsy fanaovan’ny voa ny asany, raha ny fanazavana entin’ny profesora Randriamanantsoa Lova.
Misy ny aretina mandalo na amin’ny fotoana voafetra, toy ny fisian’ny vato amin’ny lalan’ny fivalanan-drano. Rehefa voatsabo izany dia miverina amin’ny laoniny ny asan’ny voa.
Eo koa anefa ny tsy fanaovan’ny voa ny asany intsony noho ny fahapotehany tanteraka. Io no tena mampiasa ny sain’ny olona satria tsy azo tsaboina ho sitrana intsony fa ny fanoloana azy sisa no azo atao ka io no antsoina hoe aretin’ny voa.
Matetika tara loatra ny fambara famantarana ny aretin’ny voa. Ny aretina mahatonga ny fahapotehan’ny voa dia ny diabeta na ny tosidra ambony na ny vato anaty fivalanan-drano. Raha tsy voatsabo ara-potoana dia manimba tanteraka ny voa.
Ny fanoloana ny voa sy ny dialise no atao rehefa tena potika ny voa. Fisorohana no tsara indrindra toy ny fisorohana ny diabeta sy ny fandaminana ny tosidra.
Rehefa tena tonga amin’ny fahasarotana ny aretina dia mety ho sempotra ny marary, mivonto na miakatra tosidra be na mandeha tevi-doha. Mila hamehana ny fandraisana an-tanana ny marary eo.
Efa voaofana amin’ny fanaovana fizahana sy fitiliana avokoa ny dokotera rehetra. Raha efa voaporofo kosa fa voan’ny aretin’ny voa ka mila mpitsabo manokana dia eo amin’ny hopitaly Befelatanana sy HJRA no misy ny fitsaboana eto Antananarivo. Eo koa ireo hopitalim-panjakana rehetra any amin’ny faritra.
Tatiana A