Famindrana ny labatoara: tafakatra  30 000Ar ny vidin-kena

Lasibatry ny savorovoro eny anivon’ny labatoara ao Toamasina ny mpivaro-kena sy ny mpanjifa. Nifampitadiavana ny hena rehetra hatramin’ny zoma teo.

 Nisahotaka ny tanànan’i Toamasina nanomboka ny zoma teo. Mananosarotra ny fitadiavana ny henan’omby, ny henan-kisoa, ny henan’ondry ary ny henan’osy hatramin’ny akoho, ao an-toerana. Vokatry ny fitokonana nataon’ny mponina tsy manaiky ny famindran-toerana ny famonoana biby any amin’ny labatoara izany. Nilanja sora-baventy ny ankamaroan’ny mpitokona. Nahatratra 22 000Ar ny kilaon’ny henan’omby raha tsy nahitana henan-kisoa intsony teny an-tsena. Nilaharana ny karazan-kena teny amin’ny tsenabe ao amin’ny renivohitr’i Toamasina. Teo aloha, vidina 12 000Ar ny kilaon’ny akoho matavy sy fakàna nofo, nahatratra 19 000Ar izany omaly. Tafakatra hatramin’ny 30 000Ar kosa ny kilaon’ny akoho gasy sy ny henan’omby mifangaro ao an-toerana.

Tsiahivina fa nitokona nanomboka ny zoma teo ny mpiasan’ny labatoara sy ireo vondron’ny mpamono biby fihinana ao Toamasina.Voalaza fa hamidy amin’ny olon-tokana ny labatoara. Manahy ny asany ny mpiasa, izay tsy manaiky ny hamindrana ny labatoara ho ao Ambalamanasy.

Tsy ara-dalàna

Tsy manaraka ny fenitra takina ny toerana misy ny labatoara eo amin’ny cité Canada Toamasina. Tsy tokony hisy renirano eo akaikiny, tsy tokony hamakivaky tanàna ihany koa ireo biby ao an-toerana. Amorontsiraka rahateo ny labatoara ka miteraka loto sy fofona maimbo eny amin’ny manodidina. Manoloana izany, misy ny tetikasa hamindrana ny labatoara any Ambalamanasy. Fifanaraham-piaraha-miasa amina teratany sinoa manana velaran-tany 3 500m2. “Betsaka ny fanorenana sy fanatsarana atao ao Toamasina. Tsy vahaolana ny fitokonana raha tiana ny hanana ny tsara”, hoy ny ben’ny Tanàna, Rakotonirina Nantenaina Herilala.

Sajo

Partager sur: