, nikasa hijery ’ , , ’ é é, ny zoma teo. “Tsy mety ny tenako raha tsy manome voninahitra ireo namoy ny ainy. Miombona alahelo amin’ireo Malagasy namoy ny ainy sy naratra i La Réunion“, hoy izy. Nanotrona izany ny filohan’ny Antenimierandoholona.
Tsy misy lanjany ny fangatahan’ireo hoe “kandidà” valo ny amin’ny tsy tokony hirotsahan’ny filohan’ny am-perinasa noho ny fizakany zom-pirenena frantsay, hoy ny depiote IRD, Tanà VI, Rakotoarimanana Tiana Maxime. Tsy mpitsara ireo olona ireo, tsy mpikamban’ny HCC, tsy solontenan’ny vahoaka. Tsy fantatra aza hoe hankatoavina na tsia ny firotsahan-kofidiny.
Manentana ny mpisehatra politika sy firaisamonina isan-karazany ho tony ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, nihaona tamin’ny tomponandraikitra ambony eo amin’ny fandriampahalemana, faritra Boeny, ny faran’ny herinandro teo. Mba hajanona aloha ny adiady. Aleo ny firenena no jerena amin’izao fiatrehana fifidianana izao.
Tafakatra sivy, ireo kandidà nametraka ny antontan-taratasiny eny amin’ny HCC, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’izany ny mpirotsaka hofidiana natolotry ny PSD, ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny. Nambarany tetsy Ambohidahy fa maherin’ny 700 ireo olom-boafidy, ben’ny tanàna sy mpanolontsaina ary depiote miahy ny firotsahan-kofidiany.