Minisitry ny Atitany: “Tsy misy ny famoronana fokontany vaovao” 

“Mbola ny isan’ny fokontany teo aloha hatramin’izay ihany no iasana hatramin’izao”, hoy ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, i Tokely Justin. Nivoitra izany tamin’ny fanambarana nataony, ny faran’ny herinandro teo. Namaly ny resaka voizin’ny mpanao politika sasany ny amin’ny fisian’ny fokontany vao noforonina hiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika ny tenany. Tsy misy fokontany matoatoa na vao noforonina izany. 19 000 mahery ny isan’ny fokontany manerana an’i Madagasikara. Tsy mbola misy famoronana fokontany efa elaela izay, tany amin’ny taona 2007 na 2009.

“Mahazo manao hetsika politika avokoa ny antoko politika sy ny mpanao politika”, hoy kosa izy momba ny fahazoana manao famoriam-bahoaka sy ny fanehoan-kevitra politika amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Saingy manaraka ny fepetra misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana aloha izy ireo mandra-pahatonga ny fotoan’ny fampielezan-kevitra. Rehefa tonga ny fampielezan-kevitra, izay hanomboka amin’ny 10 oktobra ho avy izao, malalaka toy ny amin’ny fampielezan-kevitra rehetra ny antoko politika sy ny mpanao politika amin’ny famoriam-bahoaka ataony. Amin’izao fotoana izao, tsy maintsy izay voalaza teo aloha ihany no arahina mba hitandroana ny filaminana: atao anaty efitrano ny famoriam-bahoaka.

R. Nd.

Partager sur: