Seces tia vola! mampikatso ny fampianarana! Izany no fiampangana ny Seces amin’izao fotoana. Mitondra fanazavana ny mpampianatra mpikaroka, ny Profesora Gilbert, sekretera jeneralin’ny Seces nasionaly nandritra ny “sit-in” nataon’izy ireo ny faran’ny herinandro teo. ‘‘Tsy maharaka ny zavatra tokony hatao ety amin’ny oniversite ny fanjakana. Tsy araky ny tokony ho izy ny vola ho an’ny fampianarana ambony. Tsy voaloa ny vatsim-pianarana, tsy araky ny tokony ho izy ny fotodrafitrasa ary ny mpampianatra mitaky hatrany ny vola ho an’ny ora fanampiny”, hoy ny fanambarana nataony.
“Miaro ny zon’ny mpampianatra ny Seces ary mijery ny fiainam-pirenena. Amin’izao fotoana, efa vitsy kely ny mpampianatra raikitra satria efa lasa nisotro ronono. Etsy andaniny, tsy omena ny karamany, nandritra ny 4 taona, ireo vacataires”, hoy hatrany ny fanamafisana nataony.
“Fanitsakitsahana ny zon’olombelona anefa no ataon’ny fanjakana eny amin’ny oniversite. Ireo samy tomponandraikitra no mifanilika amin’ny fandoavam-bola. Ny mpampianatra ihany anefa no hanariana ny ratsy sy voizina ho manakorontana saingy mila fantatry ny olona ny zava-misy marina”, hoy hatrany ny profesora Gilbert, namarana ny resaka nifanaovana taminy.
Tatiana A