« Prix des jeunes écritures 2023 »: solontenan’i Madagasikara i Aryella Andrianantsitoherinteny

Vao 21 taona monja nefa efa fitaratra ho an’ny tanora namany i Aryella Aradrariny Andriantsitoherinteny na Kaira Futur. Manana ny maha izy azy eo amin’ny asa soratra izy ary efa fifaninanana maro no nahatafavoahany ho mpandresy. « Soraty ny Démocratie », « Diary Nofy », « Hack4Peace », anisan’ny fifaninanana nandraisany anjara. Nandalina manokana momba ny politika, tao anatin’ny fianarana nataony. Mitohy hatrany  ny fahombiazana ho an’i Aryella A. amin’izao, noho izy anisan’ny hiatrika ny famaranan’ny “Prix des jeunes écritures 2023”.

Tanora  manana ny maha izy azy eo amin’ny fanehoan-kevitra, amin’ny alalan’ny asa soratra Slam sy Rap i Kaira Futur. Fifaninanana maro teto an-toerana sy teto amin’ny ranomasimbe Indianina ary i Afrika no efa nandraisany anjara, nahazoany ny laharana voalohany hatrany. Afaka fanadinam-panjakana “Baccalauréat” teo amin’ny faha-15 taonany izy, ary ny fandalinana ny politika no sampam-pianarana nofidiny nanomboka teo.

Tafiditra ao anatin’ireo hiatrika ny dingana famaranan’ny “Prix des jeunes écritures 2023” izy, izay hany Malagasy tokana voafidy hiakatra izany dingana izany.

Lin

Partager sur: