Niteraka fahafatesana ny ady baolina kitra tao Tsaramandroso, fokontany Anahipisaka, kaominina ambanivohitr’i Belemoka, ny sabotsy teo. Maty vokatry ny daroka nahazo azy ny tovolahy iray. Nisy fifamaliana teo aminy sy ny namany teo am-panaovam-baolina. Savorovoro noho ny fifampihantsiana teo amin’ireo mpilalao no fototry ny olana. Tsy nahatanty ny mpilalao sasany ka nanangan-tsandry. Naratra mafy ilay tovolahy ka nentina namonjy hopitaly. Tsy tana anefa ny ainy, noho ny ratra nahazo azy. Nidina ifotony nijery akaiky ny raharaha ny mpitandro filaminana.
Tsy niandry fampiantsoana anefa, tonga nitolo-batana teny amin’ny biraon’ny zandary ao Ikongo izy roa lahy nahavanon-doza. Nitondra ny fanazavana sy ny heviny izy ireo. “Vokatry ny tsy fifankahazoan-dresaka teo am-panaovam-baolina no nahatonga ny ady ka niteraka savorovoro. Niafaran’ny fikasihan-tanana sy daroka ary fampiasana zava-maranitra izany. Tanaty hafanam-po, samy tsy nisy nanam-po”, hoy izy ireo nitantara ny zava-niseho. Tazonina ao amin’ny biraon’ny zandary izy roa lahy nitolo-batana mialoha ny hitondrana ny raharaha eny anivon’ny fampanoavana. Na inona na inona antony, miandry azy roa lahy ny fonja, araka ny voasoratra ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana malagasy mahakasika ny vonoan’olona.
J.C