Taratry ny kanto

Festival « Temps fort danse ». Mitohy ny hetsika ho an’ny mpankafy dihy an-dalambe sy ny dihy ankehitriny, eny amin’ny IFM Analakely, ao anatin’ny  Festival « Temps fort danse ». Seho iarahana amin’ny vondrona mpandihy maro samihafa no ho hita eny an-toerana mandritra ity herinandro ity. Anisan’izany ny iarahana amin’ny Compagnie Yvan Alexandre.

Horonatsarimihetsika matihanina. Hanatanteraka atrikasa, hanamafisana ny fahaiza-manao, eo amin’ny sehatry ny horonatsarimihetsika ny mpiantsehatra amin’izany, eny amin’ny Hotel Sakamanga, manomboka anio, hatramin’ny 8 septambra 2023. Tanjona ny hanatsarana hatrany ny tontolon’ny horonantsarimihetsika malagasy.

Hosodoko. Manomboka miverina tsikelikely amin’ny maha izy azy ny hosodoko eto Madagasikara, indrindra ny eto Antananarivo. Manamafy izany ny fiverenan’ny hetsika fampirantiana maro, nanana ny naha izy azy. Taratra ihany koa ny fitomboan’ny ankizy sy ny tanora ao anatin’izany.

Fondation H. Nahazo fampiofanana avy amin’i Georgina Maxim ireo tanora misitraka ny “Formation Ainga”, ao amin’ny Fondation H Ambatomena. Ny mahakasika ny tekinika fanaovana ranty sy fiakarana an-tsehatra no nampiofanana azy ireo tamin’izany. Georgina Maxim, izay ao anatin’ny fivahinianana eto Madagasikara amin’izao.

Partager sur: