Tsy mahay tsy…

Tsy mahay tsy” no niavian’ny hoe “tsy maintsy”, ilazana toe-javatra tsy azo ihodivirana, tsy azo lavina. Amin’izao fifidianana izao, misy ny mpirotsa-kofidina mitompo teny fantatra fa tsy maintsy voafidy, hono. Tsy mahay tsy voafidy izany, na tsy mahay resy. Nefa tokony hahay resy amin’ny latsa-baton’ny olompirenena izay mirotsa-kofidina. Na toy inona fiheveran-tena, ny vahoaka ihany no hoe tompon’ny teny farany.

Hanao ahoana ny fifidianana, raha samy miteny toy izany avokoa izay mirotsa-kofidina? Tsy maintsy voafidy, tsy mahay resy… Izay no anisan’ny mahatonga ny fanahiana sy fahatahorana korontana politika mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana? Ny ataon’ny tena ihany no antony. Efa fantatra izao fa iray ihany no ho voafidy ho filohan’ny Repoblika, nefa misy mitompo teny fantatra fa tsy maintsy voafidy na tsy mahay resy.

Mety fisehosehoana sy fisekosekoana amin’ny mpamatsy vola na izay ampanantenana fa tsy maintsy voafidy ny tena? Na vono lolo tsotra izao… Inona no hanaovana fifidianana raha fantatra izao izay tsy maintsy ho voafidy? Na tsy misy tokony hisafidianana… Tsy maintsy voafidy tsinona ny tena! Mihevitra ny vahoaka ho inona izany? Tsy manan-tsafidy, anaovana amboletra, ampihorohoroina… Tsy mbola mahazo fahefana dia efa izany.

Ahoana rehefa tsy voafidy eo ny toy izany? Hilaza fa misy hosoka sy hala-bato ny fifidianana, satria tsy voafidy ny tena. Izay no mahatonga ny fanaratsiana, fanoherana voka-pifidianana, fanakorontanana. Tsy mahay resy tsinona. Tsy lavina, vonona hiady sy handresy matoa mirotsa-kofidina. Saingy mila miomana fa mety ho resy ny tena. Izay no mahatonga izay resy amin’ny fifidianana saika manao sesitany ny tenany avy hatrany? Tsy mahay resy an-tanin’ny tena…

R. Nd.

Partager sur: