Tapaka matetika ny herinaratra amin’ny faritra maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina nandritra ny lalaon’ny Nosy. Nisy ny ezaka nataon’ny orinasa Jirama tamin’ny fampanenana ny fahatapahan-jiro. Ankehitriny samy mametra-panontaniana ny rehetra amin’ny momban’ny famatsiana herinaratra.
Misy ny fifanarahana ara-toekarena sy ara-barotra eto amin’ny ranomasimbe Indianina. Fanalalahana sy fifanakalozana ara-barotra amin’ny fanafarana avy amin’ireo firenena Eoropeana. Voaresaka ireo nandritra ny dinika politika, andiany faha-11, teo amin’ny governemanta malagasy sy ny Vondrona eoropeana.
Notanterahana tao Toliara ny atrikasa fanentanana sy fanofanana momba ny faritra ara-barotra malalaky ny kaontinanta Afrikana, ho an’ny faritra Atsimo Andrefana na ZLECAF. Hetsika niarahana tamin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana sy ny PNUD.
Nitombo 100 ny injeniera eo amin’ny sehatry ny fambolena navoakan’ny « Ecole Supérieure des Sciences Agronomiques(ESSA) », teny amin’ ny Oniversitean’Antananarivo, Nivoaka ny zoma lasa teo ny andiany Fanjava Mahasaky. Hitondra ny anjara birikiny amin’ny
Fampivoarana ny tontolo ambanivohitra sy fikajiana ireo ala sy zava-boahary izy ireo.