“Anaovanay antso avo na ho an’ny fanjakana, na antoko, na kandidà: tsy lany andro ny fifampiresahana momba ny fifidianana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandrindra nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo; eny, na efa nanambara ny firotsahan-kofidina aza ny filoha mpanorina ny antoko. Betsaka ny ohatra velona teto amin’ny firenena na ireo firenena manodidina hafa ny amin’ny tokony hifampiresahana: maninona no loza tsy roa amin-tany no mitranga iray na roa vola aorian’ny fifidianana? Rehefa ao anatin’ny fangaraharana sy tsy miangatra izay atao, ny vahoaka no tompon’ny teny farany. Ngezabe izay amin’ny fanaovana politika. Mba harovana izay, fa marefo sy mahantra ny mpiray firenena dia vidian’ny olona.
“Fantatsika ve tamin’ny 2018 ny vola, ny tee-shirt sy ny kasikety, be lavitra no ho ny olona nandeha nifidy?”, hoy izy. Mba samy mieritreritra ny rehetra. Mihamahantra ny olona, izay no hanambatambazana azy.
R. Nd.