Antoko TGV/Mapar: miantso ny haha kandidà ny filoha Rajoelina ny kongresy

Mirona mankany amin’ny fangatahana ny ho firotsahan-kofidin’ny filoha am-perinasa, Andry Rajoelina, ny kongresy nasionalin’ny TGV/ Mapar, eny amin ‘ny CCI Ivato. Nanomboka omaly izany, ary hampahafantarina anio ny fehinkevitra.

Tonga maro, naneho ny heriny teny an-toerana ireo mpikatroka rehetra, hatreny ifotony manerana ny Nosy ka hatramin’ireo mpitantana, eo anivon’ny birao politika, tarihin’ireo sekretera nasionaly sy mpitantana isan-tokony. Eo koa ireo fikambanana tsotra sy fikambanana politika ary antoko politika samihafa, manohana izao fitondrana izao. Tazana teny Ivato ireo ray aman-dreny ara-drazana, ampanjaka sy olobe, lonaky. Manampy izany ireo olom-boafidy, toy ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina ary ireo solombavambahoaka. Ireo minisitra mpikambana eo anivon’ny TGV/Mapar ary koa ireo lehibena Andrimpanjakana, toy ny filohan’ny Antenimierampirenena sy ny filohan’ny Antenimierandoholona.

Niompana amin’ny raharaham-pirenena, indrindra ny ho fiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika ny fivoriana, ankoatra ny fivorian’ireo vaomiera samihafa.

Ny sosialim-bahoaka

Nivoitra tamin’ny lahateny fanokafana, naverimberin’ireo nandaha-teny ny fangatahana ny hirotsahan’ny filoha Andry Rajoelina indray amin’ny fifidianana, ny 9 novambra izao. Voatanisa ao anatin’izany ireo ezaka vita tao anatin’ny efa-taona mahery nitantanany ny firenena na teo aza ireo olana nosedraina : ny krizin’ny valanaretina Covid-19 sy ny vokatry ny ady any Ukraine. Ny fijeren’ny filoha ny sosialim-bahoaka sy ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa samihafa  sy ny mbola an-dalana ary koa ireo mbola hotanterahana. Antony hangatahan’izy ireo hanohizan’ny filoha izany amin’izao fe-potoam-piasana manaraka izao.

Rakotra loko vonim-boasary ny teny an-toerana tamin’izao kongresy izao.

Synèse R.

 

Partager sur: